VAOVAO TAMBATRA

Hamaritra ny vidin’ny internet ny fanjakana ho an’ireo mpandraharaha mibahana ny tsena. Hotanterahina amin’ny alalan’ny Artec izany. Fanombohana ny tetikasa ny nanaovana fihenam-bidy ny tolotra izay efa nampiharin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny fifandraisan-davitra, izay mifototra bebe kokoa amin’ny alina.

Mitentina 5 miliara Ar ireo vata mpanova herinaratra naterin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika teny amin’ny Jirama Antanetibe. Natao hamaliana ny fitarainan’ny mponina manoloana ny fahatapahan’ny jiro ny tetikasa. Vonona hanolotra ny drafitra fanarenana ny jiro sy rano ny eo anivon’ny Jirama.

Tokantrano miisa 90 000 no nisitraka fatana mitsitsy, miisa 120 000, tao anatin’ny 7 volana tamin’ny alalan’ny tetikasa Magnasoa, tao amin’ny faritra Anosy. Kendrena hampiasaina ny angovo madio sy hisorohana ny fandripahana ny ala izany. Marihina fa mahatratra 100 taonina isan’andro ny filàna amin’ny hazo, kitay sy arina fandrehitra, ao an-toerana.

Partager sur: