Muay Thai Tournament 4 : Ady 20 eo no hitranga eny Mahamasina

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny 21 desambra 2025 ho avy izao, ny “Muay Thaï Tourna­ment 4”, karakarain’ny GISL na ny “Grande île sports et loisirs”. Ady manodidina ny 20 eo no hitranga amin’ity andiany farany sady famaranana lehibe ity, raha ny fanazavan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Ho tazana avokoa ireo mpan­dresy nandritra ny “Muay Thai Tournament 3” natao tany Toa­masina, ny 23 novambra lasa teo. Ankoatra ny maha famaranana lehibe ity andiany fahefatra ity, ho fanomanana ny “Tro­phée de choc”, izay hiadiana ny tepana afrikanina sy inter-continental raha toa ka tepana aty amin’ny ranomasimbe Indianina no niadiana teo aloha. Hampiavaka izany koa ny loka sy amboara hozaraina ho fampirisihana ny ankizy hia­trika fifaninanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny klioban’ny GISL, Razanajatovo Carine. Anisan’ny mpikatroka handray anjara amin’ity MTT 4 ity i Manoa, sokajy vehivavy. “Mitohy ary mihamafy hatrany ny fanomanana, toy ny efa natao tamin’ ny MTT 3, efa fantatro tsara rahateo ny mpifanandrina amiko ka vonona ny mbola hibata fandresena, hiezaka hanarina ny lesoka ihany koa”, hoy ny nambaran’i Manoa. Torak’izany koa i Olga izay hiady amin’ny mpifanandrina vaovao amin’ity. Nambarany fa tsy miova ny teknika saingy hampitomboina ny kotrana sy ny fanomanana.

Mi.Raz

Partager sur: