Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga, taranja baolina kitra. Nisy ny diabe sy ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ireo mpanazatra tamin’ ny mpanao gazety. Marihina fa hisy ny fifanintsanana ho an’ny ankizy mandritra ity taom-pilalaovana ity.
Mandalo fitsaboana eny amin’ny Hopitaly miaramila (Homi) ilay mpilalaon’ny USA Ankadifotsy, i Mongo. Tsiahivina fa tapaka ny hazondamosin’ity mpilalao ity nandritra ny fifanandrinan’ny USA Ankadifotsy sy ny FTM Manjakaray. Efa tonga teny amin’ny hopitaly moa ny Federasionina malagasin’ny Rugby, nitsidika sy nandray andraikitra tandrify azy ireo, raha ny vaovao voaray omaly.
Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy, taranja bodybuilding, niatrika ny “NCP Word Pro”, natao tany Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo. Tsara ny vokatra satria voahosotra ho tompondaka lefitra teo amin’ny Classic Physic 1,80 Cm i Tsilakely, laharana faha-4 tamin’ny Miss bikini i Nancy ary laharana faha-5 teo amin’ny Classic Physique 1,75 cm i Dyx.




