Taranja tolona eny anivon’ny sekoly : Nahatratra 200 mahery ireo mpianatra nifaninana

Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena an-tsekoly ho an’ny taranja tolona. Navitrika ireo mpianatra tamin’ny fandraisana anjara. Azo antoka ny ho mpandimby ireo zoky, ary mety hanana ekipam-pirenena matanjaka i Madagasikara atsy ho atsy.

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Ankoay Anko­rondrano, ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja to­lona, eny anivon’ny sekoly. Fifaninanana, nokarakarain’ny Federasionina malgache de Lutte (FML). Azo lazaina ho nahomby ity hetsika andiany voalohany ity, raha ny nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny federasionina satria navitrika ireo mpianatra nandray anjara tamin’izany. Naha­tratra 200 mahery mantsy ireo kilonga madinika avy amin’ ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana namaly ny antso.
Nozaraina tao anaty so­kajy U12, U15, U17, lahy sy vavy, izy ireo. Tsy nanafina ny hafaliany ny mpitantana ny FML fa tratra ny tanjona raha amin’izao fanombohana izao. Notsiahiviny fa tafiditra ao anaty fampiroboroboana ny taranja tolona ny hetsika. Natao hitiliana ireo taninke­tsan’io taranja io eto Mada­gasikara, ihany koa. Nisy ny fanofanana nomena ireo mpampianatra amin’ny taranja fanatanjahantena, tany amin’ ireo sekoly nomen’ny teknisianin’ny federasionina mialoha ity fifaninanam-pirenena ity. Tamin’izany no nanaovana tomban’ezaka.
Notsiahivin-dRaveloson Mamitiana fa efa enim-bolana teo izay ry zareo no nanao fi­fampizarana traikefa tamin’ ireo mpanabe teny anivon’ireo sekoly eto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritr’i Vakinan­karatra. “Tsy mijanona eo amin’ ny fifaninanana an-tsekoly ihany izy ity fa hampidirina tsikelikely any anaty klioba ireo mpianatra ka ho lasa tena atleta matihanina”, hoy izy. Notoloran’ny federasionina amboara sy medaly avokoa ireo mpandresy tamin’ity.

F.R

Partager sur: