Hahazo vahana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny volonandro fahavaratra hatramin’ ny fisasahan’ny herinandro. Ny varatraza malefaka kosa no handrafitra ny toetry ny andro aorian’izay. Hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka amin’ny ankapobeny ho an’ny afovoantany, ny faritra avaratra sy atsinanan’ny Nosy, hatramin’ny alakamisy, indrindra ny tolakandro. Tombanana hikisaka any amin’ny ilany afovoany andrefan’ny Nosy izany, any amin’ ny faran’ny herinandro. Vinavinaina ho maina, araka izany, ny andro any an-kafa manomboka ny zoma.
Tombanana hisy fidinana ny maripana ambony any amin’ny ilany atsinanan’ny Nosy, ny faran’ny herinandro. Manoloana ny oram-baratra mandritra ny fizarana voalohany amin’ny herinandro, entanina ny mponina amin’ireo toerana voakasika mba hitandrina.
Misy ireo fihetsika vitsy azo hampiharina ao anatin’ izany. Tapaho ny fitaovana mifandray mivantana amin’ny herinaratra. Fadio koa ny misaika rehefa mikotroka ny andro. Aza miantso amin’ny finday raha tsy misy hamehana ary aza mialoka na mijanona eny ambanin’ny hazo na toerana tsy azo antoka.
Vonjy




