Roa tamin’ireo ligim-paritra tsipy kanetibe miisa 7 nanaovana fifidianana ho filohany, ny sabotsy lasa teo, no tsy tanteraka. Anisan’izany ny an’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Ireo ihany koa no hany nisy mpifaninana roa. Raha ho an’Analamanga manokana, tsy nanaiky nanaovana ny fandatsaham-bato ireo filohana klioba, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha. Voatery niroso tamin’ny fitsapan-kevitra ny rehetra, ka 14 nitsipaka ny fifidianana, raha 8 nanaiky. Taorian’izay, nataon’ny administratera sivily sy ny talem-paritry ny fanatanjahantena ny firaketana an-tsoratra. “Antony tsy naneken’ireo mpitantana klioba ny tokony hanovana ny lalam-pifidianana sady handefasana taratasy fiantsoana ireo ekipa rehetra”, hoy Ramirez, filohan’ny ABMI Ivato, mpitondra tenin’izy ireo. Tetsy ankilany, samy nanaiky ny fanapahan-kevitra ireo kandidà mirahalahy, Ramananjatovo Heritiana Patrick sy Rakotovohitra Andriantsiferana Ravaka.
Ho an’ny faritra Matsiatra Ambony indray, nitovy hatrany ny isa azon’ireo kandidà nifaninana, Randrianarivahiny Dina Herimalala sy Rajaona Kaleba Andriatsaralafy, na efa niditra tamin’ny fihodinana fanintelony aza. Tsy afaka notohizana intsony izany noho ny fahamaizinan’ny andro ka hahemotra amin’ny manaraka. Miandry ny fanapahan-kevitry ny Ceni izany ny rehetra.
Tompondaka




