Ny ekipan’ny AS Valahara Vakinankaratra no nanolo ny toeran’ny CFFA Andoharanofotsy amin’ny fifanintsanana « Tournoi des grands élites », any Antsirabe. Efa nanomboka omaly ny fifaninanana. Tsiahivina fa nataon’ny mpikarakara hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL) », ity fifanintsanana ity. Ankoatra ny AS Valahara, ny Disciples FC sy ny Fosa Juniors ary ny Cosfa no mifanintsana amin’ity lalao ity.
Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tao amin’ny biraony, tetsy Ambohijatovo, omaly, Razanakoto Iaro, mpanamory fiarakodia amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Grand turismo ». Mbola ho avy moa ny fotoana handraisan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika an’ity kintan’ny fiarakodia ity.




