Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny fifidianana ho filohan’ny ligy, taranja tsipy kanetibe, teto Analamanga sy tany Matsiatra Ambony, ny sabotsy lasa teo, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy Ampefiloha, omaly, Ramanandraibe Olivier Solondrazana, filohan’ny Ceni tsipy kanetibe. Nohamafisiny fa hajaina ny lalàna velona mahakasika ny fifidianana, araka ny voarakitra ao anatin’ny sata iraisam-pirenena. Araka izany, haverina rahampitso ny fifidianana ho an’ireo ligy roa ireo. “Niady ny nanalana ny sazy ho an’ny Malagasy izahay, ka tsy sitrakay raha mbola hiverina indray izany. Noho izany, ilaina ny manaraka ny daty napetraky ny Fedeasionina iraisam-pirenena”, hoy izy. Nomarihiny fa tsy maintsy vitaina amin’ity taona ity avokoa ny fifidianana rehetra ho an’ny tsipy kanetibe, hitazomana izay fahafahana misehatra amin’ny iraisam-pirenena izay. Tsy miova ireo kandidà fa izay efa nirotsaka ihany no hanaovana latsa-bato. Ho an’ny daty hifidianana ny federasionina (FSBM) indray dia voatazona ho amin’ny 27 desambra 2025 izany.
Tompondaka




