Niomerika : Natsangana ny « Salon digital Madagascar »

Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny niomerika, noho izy manampy amin’ny fanatanterahana tetikasa, fikarohana sy ny maro hafa ho an’ny fiarahamonina. Hanohanana ireo tetikasa marolafy, notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny « Salon digital Madagascar ». Hetsika fampirantiana hivondronan’ireo matihanina misehatra amin’ny tontolon’ny niomerika. « Hery ho antsika ny fananana tanora mavitrika sy sahy miatrika, hanaporofoana fa azo atao tsara ny manorina tontolo iainana ara-niomerika matotra sy mafy orina », hoy ny minisitry ny Haitao ara-kajy mirindra ny pao­sitra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Andriamampiadana Mahefa, nandritra ny fanokafana ny hetsika. Miantoka ny fampananana asa sy fampivoarana ny sehatrasa ny tanora ny fampiofanana marolafy amin’ny alalan’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Erijika ho an’ny toekarena izany noho izy manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Nilaza ny minisitra fa tanjona ny hampirisihana sy hanohanana ny fampivoarana ara-niomerika amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa isan-karazany.

Henintsoa

Partager sur: