Tetikasa IFADEM: Hiitatra amin’ny faritra 23 ny fanatanterahana azy

Nanatrika ny fivorian’ny Firenena miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Francophonie), tany Dakar, Sénégal, ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Dr Hanitriniaina Elys Karena, tamin’ity herinandro ity.

Tanjona amin’ity atrikasa ity ny hanaovana jery todika ny “Initiative francophone pour la formation à distance des maîtres” (Ifa­dem). Tetikasa vatsian’ny “Agence française pour le développement” (AFD) vola. Naverina notohizana io fiaraha-miasa io raha niato teo aloha ka velombolo indray amin’ny fiverenan’i Madaga­sikara ny mpanohana.
Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa mahakasika ny tetikasa Ifadem teo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, amin’ny alalan’ny Ivontoeram-piofanana nasionaly misahana ny fiofanana ara-pedagojia (INFP) sy ny solontenan’ny Organisation internationale de la francophonie (OIF), amin’ny alalan’ny Bureau Océan Indien de l’AUF. Natao ny 18 febroary lasa teo izany. Tanjona ny hampiofanana mpampianatra ny “Mallette enseigner le Français” ho fanatsarana ha­trany ny kalitaon’ny fanabeazana ny zaza malagasy.
Ny Cisco Ambositra no nanaovana ny dingana an­drana nandritra izany ka mpampianatra miisa 500 no nokendrena hahazo fiofanana. Mpam­pianatra 456 no voao­fana; miisa 39 ireo mpampiofana ary 660 ireo nahazo fiofanana miompana amin’ny teknolojia vaovao. Fitaovana ara-pedagojia 3 416 no nozaraina. Efatra ireo trano niomerika naorina ary 530 ny fitaovana mifandraika amin’izany nozaraina. Naharitra sivy volana ny fampiofanana. Niatrika fanadinana sy fanaovana tombana ireo mpiofana. Tapaka fa hiitatra manerana ny Dren miisa 23 ny tetikasa satria mitohy ny fiaraha-miasa ary vonona ireo mpiara-miombon’antoka amin’ ny famatsiana ara-teknika sy ara-bola ho fanohanana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara.

Vonjy

Partager sur: