Ladoany : Mitombo ny fandanian’­ ny « transitaires »

Misedra olana ireo mpandraharaha ao anatin’ny vondrona fampivondronana entana (groupage) avy any ivelany. Mi­tombo ny fandanian’izy ireo ka miteraka fatiantoka, vokatry ny fitsipika vaovao napetraky ny sampandraharahan’ny Fadin­tseranana. Nambaran-dRandrianarisoa Rivo, mpikambana
ao anatin’ity vondrona mpandraharaha ity, fa tsy misy afa-tsy kaontenera iray isan’andro sisa no vitan’ny mpiasan’ny Ladoany tsirihina. Marobe ny antsipiriany jeren’izy ireo nefa tsy toy izany teo aloha. Mitombo, noho izany, ny vola aloa ho saram-pitahirizan’entana, ka tafakatra hatrany amin’ny 80% ny fandaniana.
Vokany, tara ny fotoana hivoahan’ny entana nefa ho avy ny fotoan’ny fetin’ny faran’ny taona. Anarivony ny mpanjifan’ ireo vondrona fampivondronana entana, ahitana karazany maro (PPN, fanafody, fitaovana samihafa). Misy marefo ny entana sasany, toy ny fanafody, na sakafo, izay mila fitahirizana manokana.
Vonona hifampidinika amin’ny fitondram-panjakana sy ny ladoany ireo mpandraharaha ireo, hikarohana ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana.

Njaka A.

Partager sur: