Zavamaniry avadika ho lasa « malt » ny orge, ilaina amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mamboly azy ny tantsaha malagasy, maherin’ny 20 000, mamatsy ny orinasa Malto, sampana orinasa an’ny Star. Niavaka sady tsara ny vokatra tamin’ity taom- pamokarana 2025 ity, satria tafakatra 11 300 t ny orge voaangona tany Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Nahafaly ny tantsaha ny vokatra, izay ambolena ao anatin’ny fotoana fohy, ka azo ampifandimbiasana amin’ny voly hafa ny tany, toy ny vary, legioma, sns. Fidiram-bola fanampiny ho azy ireo ny vidin’ ny orge, izay ara-drariny tokoa. Manampy ny tantsaha amin’ ny fividianana zezika, kojakoja fambolena ny Malto, sady manara-maso sy mampiofana amin’ny famokarana ny teknisiana. Mandray anjara isan-taona amin’ny andraikitry ny orinasa eo amin’ny fiarahamonina RSE ny orinasa.
Nilaza Razanamparany, any Ambatofinandrahana, fa « manampy be anay ity fiaraha-miasa ity, ialana amin’ny fahasahiranana amin’ny fotoam-pambolena. Manampy nahafahanay nanangana trano sy nividianana omby ».
Hetra tsy mifandanja
Manomboka sahirana anefa ny sehatry ny Orge, satria niakatra ho 293% ny hetra « droit d’accises » amin’ny labiera tato anatin’ny 5 taona. Miantraika mampisondrotra ny vidin’ny zava-pisotro izany, nefa efa kely ny fahefa-mividin’ny mpanjifa. Hiteraka fatiantoka ho an’ny tantsaha, asa mivantana sy tsy mivantana anarivony no tandindomin-doza.
Njaka A.




