VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka anio ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe. Mampitohy ny gara Soarano hatrany Ambohimanambola. Natao ny andrana ny zoma lasa teo. Ary nitohy ny sabotsy ny fampahafantarana sy ny fanentanana ny olona manodidina ny zotra an-dalamby ny fisiany, fa indrindra ny fepetra tsy maintsy hajaina sy arahina.
Nisokatra nanomboka ny 8 desambra teo ny tetezana Mahavavy, amin’ny RN6, pk 568. Misy anefa ny fepetra tsy maintsy arahina. Tsy mihoatra ny 20 taonina ny lanjan’ny fiara (PTC) fetra farany ambony afaka miampita ny tetezana. Mandeha tsirairay ny fiara rehefa hiditra ny tetezamby. Miampita amin’ny baka ny fiara milanja 20-25 T.
Nentanina hiditra amin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka madinika volamena any Vohipeno sy Am­batoharanana, distrika Fenoarivo Atsinanana. Nampa­ha­fantarina azy ireo ny lalàna sy ny tombontsoa azo mifanaraka amin’izany. Nampahafantarina koa ny andraikitry ny ben’ny Tanàna mahakasika izany ao amin’ny fari-piadidiany.

Partager sur: