Vondrona Filatex : Vavahady noravahana loko afrikanina tatsimo

Notokanana, omaly, ny fo­todrafitrasa vavahady « Arche Malaga », an’ny orinasa Fila­tex Properties, ao anatin’ny Vondrona Filatex, eny amin’ny trano fonenana, akaikin’ny Marais Masay Antananarivo. Mampiavaka azy, ilay artista mpanao hosodoko afrikana tatsimo, Esther Mahlangu, 90 taona, fanta-daza maneran-tany amin’ny haitao Ndébélé no nampihaingo sy nandoko ity fotodrafitrasa ity.
90 taona i Esther Mahlangu, anisan’ny sangany amin’ny fivoizana ny haikanto Ndé­bélé, nolovaina sy nifandimbiasan’ny reny amin’ny zanaka vavy, efa tato anatin’ny 80 taona. Haikanto mifototra
amin’ny fampiarahana ny jeometria masina, ny loko samihafa ary ny fifehezana ny fi­hetsika amin’ny tanana. Sam­bany no nisy artista fan­ta-daza vahiny nampiseho ny talentany amin’ny fotodrafi­trasa lehibe toy izao eto Mada­gasikara. Vokatry ny fanasan’ ny Filatex Propreties azy, nampian’ny orinasa Sitma. Ampitenenina ny endrika sy loko. Lohahevitra noraisiny ny hoe « Imbila namabala akhulumako », midika hoe, « mi­teny ny loko sy ny haingo ». Anehoana fa afaka ampitenenina ny endrika sy ny loko, ho azon’ny rehetra ny heviny, araka ny fahalalana ampitan’i Esther Mahlangu. Lasa en­drika hita sy mahasarika ny maso ny zava-bitan’ity artista afrikana tatsimo ity. Porofo anehoan’ny Vondrona Filatex ny fanomezan-danja ny lafiny kolontsaina sy hainkanto eto amintsika.

Njaka A.

Partager sur: