Fakafaka: Fanavaozana inona?

Fanavaozana, fanovana toe-tsaina, fananganana rafitra vaovao. Voambolana malaza amin’izao fotoana ireo, satria anatin’ny vanim-potoana tokony hitondra mankany amin’ny fiovana i Madagasikara. Inona ny mahakasika ny kolontsaina, amin’izany fanavaozana izany? Izy rehetra. Mba tsy hilazana fa ny lafiny kolontsaina mihitsy no kitihina amin’izany. Saingy mety ilay voambolana« fanavaozana » no tsy mampitovy hevitra. « Fiverenana ifotony » kokoa?
Niainga tamin’ny fahatsapana mantsy fa miaina anaty rafitra tsy mety, tsy manaja ny soatoavina ary manimba azy ny Malagasy, ka teraka teo ilay hoe « fahatongavan-tsaina faobe ». Fomba fiteny ihany izay, fa nisy hevitra novoizina, nampifoha ny tao anaty, nipaka tamin’ireo tanora ka nampihetsika azy ireo. Fitiavan-tanindrazana io, rehefa zohina.
Ny marina kokoa, nisokatra ny masom-panahy, ka betsaka ny nametra-panontaniana momba ny tenany: iza moa aho? Avy aiza? Hanao inona? Nivoaka tamin’ny valin’ireo fanontaniana ireo ilay afon’ny fitiavan-tanindrazana niboiboika, nanosika an’ireo mitaky fiovana.
« Fiovana » ihany koa no izy. Izany hoe, nisy toe-draharaha tsy nety teo ka mila ovaina ho tsara kokoa. Mety ilay tany am-boalohany io «tsara kokoa » io, ka izay ilay fiverenana ifotony. Raha halahatra anatin’ny vanim-potoana, mety hoe talohan’ny nahatongavan’ny mpanjanaka ve? Nialoha ny nidiran’ny fivavahana kristianina teto ve izay « tsara kokoa » izay? Adihevitra hafa, izay misy idiran’ny kolontsaina ihany koa iny resaka fivavahana sy firenena iny.
Fa ny tena fiovana tsy iandrasana fikaonandoham-pirenena aloha, dia ny fiverenana amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy. Fihavanana, firaisankina, fifanampiana, fifampitsinjovana… Tsy tafiditra anatin’izany ny valifaty, ny mosavy, ny halatra, ny vono olona, ny barofo, ny tsimatimanota…

Zo ny Aina Randriatsiresy

Partager sur: