VAOVAO TAMBATRA

Hamoraina ny fanohanana ny mpandraharaha, Vovonana natokana ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Tan­jo­na ny hananganana sehatra tsy miankina matanjaka sy mifaninana ka hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Marihina fa fototra iankinan’ny toekarena ny PME izay mandrafitra ny 90% ny orinasa eto amin’ny firenena sy manome asa maherin’ny 60%.

Mahatratra 16 830 ny « palettes » letisia naondrantsika any ivelany, nanomboka ny taom-piotazana, ny 20 novambra teo. Tsara ny vokatra satria manodidina ny 89% ny vokatra isan-taona no efa tafiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Marihina fa miisa efatra ny sambo lehibe nitondra ny vo­katra ao Eoropa sy Rosia. Mbola mitohy mandritra ity volana desambra ity kosa ny fitateram-bokatra amin’ny alalan’ny fiaramanidina sy «conteneurs frigorifiques ».

Velon-taraina amin’ny haratsian’ny lalam-pirenena samihafa ny fiara mpitatitra sy ny mpandeha. Nilaza ireto farany fa mety hiteraka fiakaran’ny saran-dalana ny zava-misy raha mitaraina amin’ny fahasimban’ny fiara kosa ny mpitatitra. Mihamitombo ny faha­ratsian’ny lalana vokatry ny rotsakorana misesy. Mihalafo ihany koa ny vidin’ny kojakojan’
ny fiara kanefa tsy mahaleo ny sarany ny
vidiny.

Partager sur: