Fampandrosoana : 6,7% ny tahan’ny tsy fana­nana asa eto amintsika

Ambany ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara. « Misehatra amin’ny tsy ara-dalàna sy amin’ny tsy ara-drariny ny ankamaroan’ny mponina ary sarona ao anatin’izany ny tahan’ny tsy fananana asa ». Io ny nambaran’ny tale jenera­lin’ny fampiroboroboana ny fampananasa, ao amin’ny mini­siteran’ny Asa, ny fampananasa ary ny asam-panjakana (MTFO), Ange Simonia, nandritra ny dinika fifanakalozan-kevitra momba ny fampananana asa. Niarahana tamin’ireo vondron’ny mpampiasa avy amin’ny sehatra samihafa, teny amin’ny Enam Androhibe, ny hetsika. Fotoana izao hanovàna ny politikan’ny fampananana asa eto Madagasikara. Tanjona ny hitadiavam-bahaolana maharitra sy azo tanterahina hana­tsarana ny tontolon’ny asa eto amintsika izay niarahana
amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Noraisina avokoa, araka izany, ny soso-kevitry ny rehetra handrindrana ireo tetikasa laharam-pahamehana hanatsara ny sehatry ny asa eto amintsika. Ankilany, manana paikady matipaika ihany koa ny minisitera sy ny Office national de l’emploi et de la formation (Onef) hanohana ny tontolon’ny asa, izay vokatra azo tanterahina ao anatin’ny roa taona.

Henintsoa

Partager sur: