Andro sisa isaina dia higadona ny sabotsy 20 sy alahady 21 desambra hanatanterahana ny Lalao Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo Malagasy) 2025. Hetsika hatao any Manjakandriana. Mpandray anjara manodidina ny 400 eo no andrasana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama, Rakotovao Jacky Raymond, izay mbola manentana hatrany ho an’ireo maniry ny hiatrika ity fifaninanana ity mba ho tonga maro. Miavaka ny Lalao Fihezama amin’ity taona ity satria nivoaka kely an’Antananarivo, raha ny fanazavany hatrany.
Tsiahivina fa fotoana hanehoana firahalahiana, fifankatiavana, fihavanana ary firaisankina ity fifaninanana ity. Tanjona ny hitarika ny tanora amin’ny lalana tokony halehany fa tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Tafiditra anatin’ny tarigetran’ny fikambanana izany ka ny fitaizana ny tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hoentin’ny Fihezama mampihatra io tarigetra io. Araka ny fantatra, taranja maro no hifaninana amin’ity Lalao Fihezama 2025 ity, ahitana ireo lalao iraisana toy ny basikety sy ny baolina kitra. Eo ihany koa ireo haiady isan-karazany sy ny hiragasy.
Mbola manentana hatrany ireo malala-tanana vonona hifanohana sy hiara-kiasa amin’ny Fihezama ny filohany, mba hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana ity hetsika goavana fanao isan-taona ity.
Mi.Raz




