“Hitono kalo 2.0”. Haverina indray anio tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora, ao amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim-pirenena. Antsa tononkalo miavaka, iarahana amin’i Riva sy Onja Rakotomalala izy ity, hitondran’izy ireo ny sanganasa voafantina, mifanaraka sy mifaningotra mba hitana ny fo amam-panahin’ireo izay hanatrika. Efa andiany faharoa ny hetsika, noho ny fahombiazan’ny voalohany.
Nodimandry i Ifa Soloarivonjy. Naman’ny mpanakanto sy ny zavakanto, fantatra tanaty fikarakarana hetsika ara-kolontsaina samihafa, toa ny “Festival Madajazzcar” izy. Mpikambana feno tao amin’ny ADMC Craam ihany koa, ary nivoaka avy tao amin’ny sampam-piofanana Mediation et management Culturels teny amin’ny Anjerimanontolon’Ankatso, antony nahitana an’Ifa tamina hetsika ara-kolontsaina maro.
Ho tohin’ny fampahafantarana ilay boky “amboarana angano 2”, hisy ny fihaonana amin’ireo mpanoratra Arikom’s Randria sy i Max Razafindrainibe, izay nanao ny sary. Hatao ny 20 desambra izao io, eny amin’ny Leader Price Anosizato. Fotoana hahafahan’ ireo ankizy mitafa mivantana amin’ny mpanoratra, mahazo bebe kokoa ny votoatin’ny angano, izay miisa 5 ary navoaka tamin’ny teny malagasy sy teny frantsay.
Fampirantiana “Air France, 80 taona teto Madagasikara”. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ka hitohy hatramin’ny 11 janoary izao izy ity, eny amin’ny Restaurant Le Gourmet Ankorondrano. Mirakitra ny tantaram-pirenena sy ny fifandraisany amin’ ny any ivelany indrindra amin’i France, satria voarakitra an-tsary izay 80 taona nisian’ny sidina niandraiketan’ ity kaompaniam-pitanterana ity teto amintsika.




