Fizaham-pahasalamana maimaimpoana : Vehivavy bevohoka anjatony nisitraka

Nisitraka fitiliana karazany maro, maimaimpoana, tetsy amin’ny CSB II Namontana, ireo vehivavy bevohoka miisa 150, avy amin’ny boriborintany fahefatra, ny talata sy omaly. Nikarakara ny hetsika ny Kao­minina Antananarivo Renivohi­tra. Maro ny tolotra hita teny an-toerana, toy ny fitialiana ny ho­mamiadan’ny nono, ny tsimokaretina VIH/Sida, diabeta, to­sidra sy ny maro hafa. “Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana mialoha, toy ny homamiadan’ny nono mba hahafahana mitsabo sy misoroka ny fihombon’ny aretina”, hoy ny talen’ny fa­hasalamam-bahoaka eo ani­von’ny CUA, Dr Herivonona Durand Derice, nandritra ny fanokafana ny hetsika teny an-toerana. Aorian’ny fitiliana, alefa eny amin’ny toeram-pitsaboana manokana mifanaraka amin’ny toe-pahasalamany ireo olona tena mila fanaraha-maso sy fitsaboana manokana.
Ahitana io hetsika io avokoa ny boriborintany enina eto an-drenivohitra. Nanombohana izany ny tao amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa, ny 16 sy 17 desambra lasa teo. Mi­tohy tao amin’ny boriborintany fahatelo, fahadimy ary fahenina izany, ny 18 sy 19 desambra teo. Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fa­ha­salamam-bahoaka sy ny Tsik Médical ary ny Région Île de France, nahafahana nanao ny hetsika. Kendrena manokana, mandritra izany, ny vehivavy.

Mino

Partager sur: