Hotontosaina ny 21, 27, 28 desambra ho avy izao ny andro voalohany, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Hizara vondrona roa ireo klioba 16 mandray anjara.
Raikitra ny baolina! Araka ny loharanom-baovao, nivory tetsy Andoharanofotsy, afakomaly, ny Fikambanan’ny klioba elita amin’ny baolina kitra eto Madagasikara (CFEM). Tapaka nandritra izany fa hotontosaina ny 21, 27, 28 desambra ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, divizionina voalohany “Pureplay Football League (PFL)”.
Klioba miisa 16 no handray anjara amin’ny fifaninanana, hizara ho vondrona roa: Kaonferansy avaratra sy atsimo. Ho an’ny kaonferansy avaratra, misy ny Clinique Zanatany, Tsaramandroso, Fosa Juniors FC, FC Rouge, Cosfa, AS Fanalamanga, Ajesaia ary ny TGBC. Ny atsimo kosa ahitana ny Elgeco Plus, tompondaka farany, Antimo Record, Mama FC, Disciple FC, AS Sainte-Anne, CFFA, Uscafoot ary ny COSPN.
Hiova lenta
Hiakatra kely ny lentan’ny fifanintsanana amin’ity satria hisy ny lalao mandroso sy miverina mandritra ny fifanintsanana isam-bondrona. Ireo efatra voalohany tafavoaka ao amin’ny vondrona kosa no hiatrika ny ampahefa-dalana. Mbola hisy ihany koa ny fifandonana voalohany sy faharoa amin’io mandra-pahatonga any amin’ny manasa-dalana. Lalao bango tokana ny eo amin’ny famaranana. Raha tsy misy ny fiovana, fihaonana telo no hizotra amin’io alahady io. Anisan’izany ny fifanandrinan’ny CFFA sy ny Uscafoot, ny Elgeco Plus sy ny As Ste Anne, ary ny Mama FC, sy ny Disciples FC. Andrasana ny fivohan’ny fandaharam-potoana ofisialy amin’izany. Marihina fa izay nahaloa saram-pilalaovana ihany no afaka mandray anjara amin’ity.
Fitia Randria




