Orange Madagascar : Manohana ny tetikasam-pampandrosoana

Natao tetsy amin’ny Orange Digital Center Madagascar, Gara Soarano, nandritra ny roa andro, ny 16 sy 17 novambtra teo, ny « Village Engage for Change » andiany faharoa. He­tsika nokarakarain’ny Orange Madagascar. Nisongadina ireo tetikasam-pampandrosoana samihafa ataon’ny Orange sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ho an’ny fiarahamonina sy ny toekarena ary ny tontolo iainana. Tranoheva manodi­dina ny 60 ireo mampahafantatra ny hetsika ataony ho fanohanana ny tontolon’ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny kolontsaina, ny fandraharahana. Ao anatin’izay ny fahaleovantenan’ny vehivavy, ny fanohanana ny tanora ary ny ady amin’ny kolikoly. « Natao hanehoana ireo tohana ataon’ny Orange Madagascar eny amin’ny fiarahamonina ny Village Engage for Change. Ankehitriny, hiaraha-manatanteraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny faniriana rehetra », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang.
Vita sonia nandritra ny hetsika ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Orange Solidarité Madagascar sy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofana ara­kasa. Mémorandum d’entente (MOU) hanohanana ny fiofa­nana arakasa sy hanamafisana ny fahaiza-manao ireo asa teknika sy niomerika ho an’ny tanora sy ny vehivavy.

Henintsoa

Partager sur: