Tafakatra 20 000 ha isan-taona ny ala ringana eto Madagasikara vokatry ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay hoentina handrahoana sakafo. 95% ny tokantrano malagasy no mbola miankindoha amin’izy ireny, raha toa 5% monja ny mampiasa ny angovo madio. Antony mahatonga ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) sy ny Pnud nametraka ny tondrozotra ho an’ny fampiroboroboana ny fomba fahandroan-tsakafo amin’ny angovo madio. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fakankevitr’ireo mpisehatra samihafa manerana ny Nosy. « Anisan’ny paikady mandrafitra ny tondrozotra ny fanatsarana ny vokatra efa misy, entanina hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ihany koa ireo mpamokatra fitaovana fandrahoan-tsakafo amin’ny angovo madio », hoy ny tale misahana ny Fampiroboroboana ny « éthanol » sy ny Angovo avy amin’ny akora biolojika (DPEBIO), eo anivon’ny MEH, Fidiarison Kenny. Tanjona ny hampihena hatramin’ny 50% ny fampiasana arina fandrehitra amin’ny taona 2035. Hiaraha-miasa, araka izany, ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hanatanterahana ny tetikasa. Tsiahivina fa lany teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena, ny alarobia teo, ny volavolan-dalàna momba ny famatsiam-bola ny tetikasa « Smart Clean Cooking Projet » iarahana amin’ny Opep izay mitentina 35 tapitrisa dolara.
Henintsoa




