Natao omaly sy anio, ny Fakan-kevitra nasionaly mahakasika ny fizahantany. Fotoana nijerena ny tontolon’ny fizahatany eto Madagasikara ho an’ny ho avy. Nojerena daholo ny lafiny amin’ny antsipiriany, toy ny ho an’ny mpandraharaha, ny rafitra sy ny lalàna, fandriampahalemana, ny fotodrafitrasa sy fifamoivoizana, sns. Anisan’ny navoitran’ny minisitra Vololoniaina Lucie, fa zava-dehibe ny fidirana anaty ara-dalàna ho an’ireo mpisehatra, ary koa ny fanarahana ny fivoaran’ny teknolojia niomerika.
Voafidy ho filohan’ny Sempidou Andrianavalona Herizo. Fe-potoana faninefany, hitarihiny ny sendikan’ny mpiasan’ny Ladoany, Sempidou, izao, mandritra ny 3 taona (2026-2028). Anisan’ny fanamby hapetrany ny tsy hanekena intsony ny tsindry atao amin’ny mpiasa avy amin’ny fitondram-panjakana na ny mpanao politika na izay olona mihevitra fa manambola.
Hihazo an’Indonezia, omaly, ny delegasionina tarihin’ny mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Rabearimanana Lucien, sy ny Lietnà Kly Andriamiarisoa Gervais ary minisitra maromaro (MMRS, MIDSP, MTM, MEH, MAE). Hitsidika ny vondrona orinasa indoneziana. Tsiahivina, izy ireo, fanta-daza amin’ny indostria, angovo, fotodrafitrasa, manaja ny tontolo iainana. Tanjona ny hikarohana fampiasam-bola matanjaka, ny famoronan’asa, hitondra fampandrosoana haingana.




