Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fankalazana ny jobily faha-125 taonan’ny Rugby Malagasy. Lavon’ny CEA Andranomanalina tamin’ ny isa 25 no ho 22, ny Cosfa. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ny mpilalaon’ny CEA, ny Miaramila, tamin’ity lalao fihantsiana ity. Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, nanindry ny CEA tao anatin’ny 23 minitra, fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany, izy ireo no nitarika 9 no ho 0, teny amin’ny solaitrabe, rehefa nahatsara baolina ry Mika sy Julio. Taorian’io, taitra tamin’ ny torimasony ny Cosfa, ka namadika ny isa ho 16 no ho 9, teo amin’ny fidirana voalohany. Io isa io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Teo amin’ ny fidirana faharoa, niezaka nanenjika isa ny CEA. Nahatondra baolina nentin-tanana i Laou, CEA, ny minitra faha-62, ny fizaram-potoana faharoa. Nifarana tamin’ny isa 25 no ho 22, ny lalao na dia efa niezaka nanenjika ny isa aza ny Cosfa. Ankoatra izay, tonga nanatrika ny lanonana fankalazana teny Andohatapenaka ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, sy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Gascar Fenosoa. Nisy koa ny fampirantiana sary sy ny fanokanana tsangambato fankalazana ny faha 125 taona.
Fitia Randria




