Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM). Lany hitondra izany, mandritra ny efa-taona (2026 – 2029), ny filoha teo aloha Andrianirina Adrien Julio Edouard. Tsy nisy afa-tsy izy moa ny kandidà ka nolanian’ireo ligim-paritra 7, Analamanga, Vakinankaratra, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Matsiatra Ambony, Menabe, Itasy, tamin’ny isam-bato 100% ny tenany. Ankoatra ny fanohizana ny asa efa natomboka, toa ny fangaraharahana sy ny fahaiza-mitantana, zava-baovao ny «Super ligue». Fifaninanana ho an’ireo tompondaka isaky ny ligim-paritra ka tafiditra avy hatrany ao anaty fampivondronana ny ekipam-pirenena ireo roa miatrika ny famaranana na tsy manana anaram-boninahitra aza. Havaozina hifanaraka amin’ny teknolojia amin’izao fotoana izao ny kara-pilalaovana. Tsy afaka miatrika fifaninanana intsony izay tsy manana izany. Eo koa ny fanamboarana kianja ho an’ny tsipy kanetibe. Ho an’ny sehatra iraisam-pirenena indray, hisy ny firesahana amin’ ny Federasionina iraisam-pirenena amin’ny hahazoana fampitaovana sy fiofanana ary ny ara-bola. Nanatrika ny fifidianana ireo ligim-paritra dimy vaovao, saingy tsy mbola afaka nandatsa-bato. Nankatoavin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Komity olympika ny fifidianana.
Tompondaka




