Minisitry ny Serasera tao Toamasina: tsy nahafa-po ny mpanao gazety maro an’isa

Fahadisoam-panantenana ho an’ny mpanao gazety maro an’isa ny tao Toamasina. Nihevitra izy ireo fa ho toy ny teo aloha rehetra ny ataon’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ogascar Feno­soa, nandritra ny fitsidihany voalohany ny faritra Atsina­nana, ny 23 sy 24 desambra lasa teo. Nitokana fotodrafitrasa maroloko tao amin’ny Kianja Vavitiana ny delegasionina notarihiny. Efa fomba fanaon’ny minisitra misahana an’io minisitera io hatramin’
izay rehefa manao fitsidiham-paritra voalohany ao Toama­sina ny fanaovana ny fihaonana sy dinidinika ary fifanankalozan-kevitra eo amin’ny minisitra mpiahy sy vondron’ny mpanao gazety tsy ankanavaka miankina sy tsy miankina. Taorian’ny fahatongavany tao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy ne­fa, nanao fitsidihana avy hatrany tao amin’ny kardinaly Tsarahazana Desiré, tao amin’ny birao fiasany, Katedraly Md Joseph Ampasimazava, ny minisitra. Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana tao Salazamay izany. Tsy nisy ihany koa ny fitsidihana ara-pomba ofisialy ireo solontenam-panjakana tao an-toerana. Ny alarobia fitokanana ireo fotodrafitrasa, ary taorian’ izay, nitodi-doha niverina an-dRenivohitra ny minisitra sy ny delegasionina notarihiny.

Sajo

Partager sur: