Nanao tatitra ny asa vita, nampahafantatra ny fandaharanasa amin’ny taona 2026 ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na ny FSM. Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo ny sabotsy lasa teo. Nivoitra tamin’ny fifampizarana notarihin’ ny filohany Abousoary Said Arsène fa hiompana misimisy kokoa amin’ny fitetezam-paritra, hijerena ny zava-misy eny ifotony izy ireo. Hisy koa anefa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany sy ny fitondram-panjakana, ahafahana mitondra ny anjara biriky misimisy kokoa ho an’ny firenena sy ny mpikambana.
Marihina fa anisan’ny taonan’ny asa ho an’ny FSM ny taona 2025. Nisy ny hetsika maro notanterahiny mahakasika ny sosialy, toy ny teo amin’ny lafin’ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Nanampy izany ny fifanomezan-tanana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena isan-tsokajiny, toy ny Unicef, ny Sadc, ny Vondrona Afrikanina. Nisy ny fisintonana lakolosy tamin’ny fandravana toeram-pivavahana ho an’ny mpino silamo, nisy ny fanampiana ny traboina tany Mananjary, araka ny tatitra hatrany.
Randria.




