ady amin’ny tsimatimanota: “Aoka tsy hanavahana olona”, hoy ny depiote Pety

“Aoka mba tsy hisy intsony ny hoe tsimatimanota. Zava-dehibe izay, fa zava-dehibe mila jerena koa ny hoe: aoka mba tsy hisy fanavakavahana ny ady amin’ny tsimatima­nota”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voa­fidy tany Ikalamavony, Matsia­tra Ambony, Rakotoniaina Pety, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny ady amin’ny tsimatimanota ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Am­pahirina amin’ny rehetra ny lalàna, rehefa misy ny fampiharana izany. Raha hitan’ny olona fa misy nangalatra sy nanao zava-tsy mety, nefa tsy ampiharana lalàna: ataon’ny olona hoe manavakavaka. Rehefa izay no atao, lazain’ny olona hoe valifaty politika. Tsy tamin’ny fitondrana teo aloha farany teo fotsiny no mila ampiharana lalàna amin’ny ady amin’ny tsimatimanota, fa na ny fitondrana rehetra talohan’ny farany teo aza. “Rehefa izay no atao, madio ny fitondrana”, hoy izy.
Ekena fa tsy tokony hisy ny tsimatimanota. Aoka mba tsy hoe izay tamin’ny fitondrana farany niala teo ihany. Misy koa ny tsimatimanota tamin’ny fitondrana talohan’izay: fantatry ny olona. Tokony hampiharina ny lalàna. Amin’izay, tsy misy fiangarana ny ady atao. Fitondrana handeha amin’ny fanovana no misy amin’izao. Mialoha ny zava-drehetra, mila atao aloha izay hisian’ny vokatra amin’izay tena ilain’ny olona. Raha tsy izay tena ilain’ ny olona no imasoan’ny fitondrana, ataon’ny olona hoe manao zavatra hamerivere­zana saina fotsiny. Aoka izay tena ilain’ny olona no hataon’ ny fitondrana, satria handeha amin’ny fanovana izao. Mitaha amin’ny tanjona handehanana amin’ny hoe fanovana: ny ady amin’ny tsimatimanota tokoa ve no tena mahamaika?

R. Nd.

Partager sur: