Analamanga : Zana-kazo 3 500 fototra nambolena tany Ankazobe

Notontosaina ny 15 janoary teo ny fambolen-kazo nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Analamanga. Teny amin’ny kaominina Ambohi­tromby, distrika Ankazobe, no nanatanterahana izany. Miisa 3 500 ny zana-kazo novolena tamin’ny velarantany 3 ha.
Nitarika ny fotoana ny lehiben’ny Faritra Analamanga, ny tale jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana ao amin’ny minisitera Medd, ny solom­bavambahoakan’Ankazobe, ny Vondrona eoropeanina sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Nanampy izany ireo mponina eny ifotony. Nanen­tana ny tsirairay hanamafy ny fanaraha-maso ny zana-kazo novolena ireo rehetra nandray fitenenana. Notsipihina manokana ny ady amin’ny doro tanety. Fanamby manokana ny hampahomby ny hetsika fambolen-kazo, entina hamerenana ho maitso indray an’i Madagasikara. Anisan’ny fa­nen­tanana novoizina ny hoe, « mamboly hazo isika fa tsy manatsatoka hazo. Koa, tsy vita iray andro ny fanaovana fambolen-kazo ».
Tsiahivina fa teny filamatra amin’ity taom-pambolen-kazo 2025-2026 ity ny hoe: « Izay mamboly hazo, manome aina ». Efa nosantarina tamin’ny desambra 2025 ny fambolena ofisialy ary izao manatanteraka ny azy izao ny Fi­tantanam-paritra tsirairay mi­araka amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa.

Njaka A.

Partager sur: