Nahafa-po ny iraky ny FMI ny vokatra vitan’i Madagasikara tao anatin’ny 2 volana, momba ny sehatry ny angovo. Natao ny 13 janoary teo ny dinika mahakasika ity sehatra ity, nitateran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny ao amin’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) tatitra. Anisan’ny zava-bita ny mahakasika ny Jirama, ny sehatry ny angovo amin’ny ankapobeny ary fanohizana ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto amintsika.
Miverina ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahafito, mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Efa mandeha ny fandrakofana godirao ny lalana, nanomboka tamin’ny herinandro lasa teo. Marihina fa niato ny asa, noho ny firotsahan’ny orana, nanomboka ny volana novambra sy desambra 2025 ary ity volana janoary ity. Anisan’ny tena ifantohana, ankehitriny, ny eny Hazolava, atsimon’Ambatolampy sy ny mianatsimo.
Anisan’ny tanjona ho tratrarin’ny fanjakana ny hanampiana ny tahan’ny tsindrin-ketra ho 2,4%, ato anatin’ny telo taona hoavy. Hodinihina mandritra ny Dinika ara-toekarena, hanomboka anio, eny amin’ny CCI Ivato, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana LFR 2026. Tohizana ny fampiharana ny drafi-panarenana ny Jirama, indrindra ny ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny nivoitra ireo nandritra ny dinika nifanaovana tamin’ny FMI.




