Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Mitarika vonjimaika ao amin’ny kaonferansy atsimo ny Disciples FC Vakinankaratra. Nahazo fandresena fanindroany, 2 no ho 1, nanoloana ny Antimo Record, tany Toliara, izy ireo. Manana isa enina izany ny ekipan’i Vakinankaratra. Handray ny Uscafoot, ao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe indray ny Disciples FC, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izay hifandona amin’ny Elgeco Plus, anio, eny By-pass. Marihina fa tokony ho natao ny sabotsy lasa teo izy ity saingy tsy tontosa hatramin’ny farany noho ny rotsakorana. Ankoatra izay, misongadina koa ny ekipam-piangonana AS Ste Anne. Nomontsanin’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny CosPN Analamanga, ekipa vao niakatra divizionina voalohany tamin’ity taona ity. Nahazo isa telo ho azy tamin’ity andro faharoa ity ihany koa ny Mama FC. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny CFFA Andoharanofotsy. Hatramin’ ny ora nanoratanay omaly, tsy mbola misy ny fanapahan-kevitra noraisina mahakasika ny AS Fanalamanga. Ity farany izay tsy handray anjara amin’ny PFL mandritra ity taom-pilalaovana ity.
Fitia Randria




