Ho fantatra anio, ny filaharana vaovao an’ny Barean’i Madagasikara, amin’ny Fifa. Tsiahivina fa mety hiova tanteraka io filaharany io, noho izy ireo tsy nandray anjara tamin’ny Can teo nefa ireo laharana ao ambaniny nandray anjara tamin’izany. Anisan’ireo hiakatra laharana, ohatra, i Soudan sy i Comores.
Raraka teo amin’ny dingana voalohany, fifanintsanana Open d’Australie, amin’ny taranja tenisy, sokajy vehivavy, ilay Malagasy mizaka zom-pirenena frantsay, Rakotomanga Sarah Tiantsoa. Tsy tafavoaka teo anatrehan’ilay vehivavy laharana voalohany maneran-tany, i Aryna Sabalenka, izy. Ho an’ity Malagasy ity, lalao nahazoana lesona sy traikefa ny fihaonana tamin’i Sabalenka.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny La Croisée Andranotapahana, ny fifaninanana taranja Échecs, ho an’ny orinasa na ny “Inter Entreprise”. Ny ekipa avy amin’ny orinasa Huawei no nandrombaka ny fandresena, ny Axian no laharana faharoa ary ny Beys kosa no nahazo ny laharana fahatelo.




