Andrianainarivelo Hajo : « Hery ho amin’ny fanavaozana ny tanora »

Anisan’ireo nandray anjara fitenenana tamin’ny fihao­nambe iraisam-pirenena « Con­fé­rence internationale » nokarakarain’ny « Internationale dé­mocrate centriste IDC-CDI » aty Afrika ny filoha nasionalin’ ny antoko Mala­gasy miara-miainga, Andria­nai­narivelo Hajo. Nambarany, tamin’izany, ny andraikitry ny tanora. « Tena ilaina amin’ny fanorenana de­mokrasia ma­tanjaka sy maharitra izy ireo. Maro an’isa ny tanora ary loharanon-kery lehibe amin’ny fanavaozana, ka tsy tokony ho mpitazana fotsiny », hoy izy. Nanteriny fa anisan’ny mpandray anjara feno amin’ny fanapahan-kevitra politika sy amin’ny lafiny sosialy ary koa ny toekarena eto amin’ny firenena ny ta­nora.
Ankoatra izany, anisan’ny nifantohana tamin’izao adihevitra eo anivon’ny IDC-CDI izao ny momba ny demokrasia aty Afrika. Nohamafisin’ny filoha nasionalin’ny MMM fa tsy fanaovana fifidianana fotsiny ihany ny demokrasia. « Mi­taky Andrimpanjakana mahaleo tena sy fitsarana tsy miangatra izany », hoy ihany izy. Nanteriny fa ilaina ao anatin’ izany ny fitantanana mangarahara sy ny fahalalahana ma­neho hevitra ary ny rafitra mpanara-maso mahaleo tena.
Tsiahivina fa filoha lefitry ny IDC-CDI Afrique, Andria­­nai­narivelo Hajo amin’izao fo­toana izao ary anisan’ny niara-niatrika ny fivoriana taminy tany Paris, Frantsa, ny mpandrindra ny MMM any Eoropa, ny Dr Todizara De­siré.

Synèse R.

Partager sur: