Taona 2026 : Hitohy ny « Hiragasy goavam-be »

Anisan’ny ezaka sy fanamby lehibe tanterahin’ny Federasiona mpihiragasy eto Madagasikara ny fanatanterahina adin-kiragasy isan-kerinandro. Hitohy amin’ity taona 2026 ity izany.

Na mbola andro vitsy aza no nanitsahana ny taona 2026, nifanaretsaka ny fanontaniana: « hitohy ve ny Hiragasy goavam-be ?». Na-maly io hetahetan’ny olona maro mpitia hiragasy io ny Fe­derasionina mpihiragasy eto Madagasikara. « Tonga ilay nan­drasana », adin-kiragasy goavana be hifandonan’ny tarika Ramaroson avy any Soanieranabe sy ny tarika Ramilison Tsimakalagy avy any Arivonimamo. Adin-kiragasy hotanterahina etsy amin’ ny Kianja RaPetit Ampefiloha, ao an-damosin’ny Tranom­bokim-pirenena, ny alahady 25 janoary izao, manomboka amin’ny 10 ora maraina.
Ho an’ny mpitia hiragasy, tsara fanombohana ny taona 2026 raha ireto tarika ireto no jerena. Samy manana ny an­drarezina sy ny traikefa ma­tanjaka izy ireo ka rariny raha tsy hifampitsitsy. Azo antoka ihany koa fa hira vaovao tsy mbola henon’ny andaniny sy ny ankilany mpifanandrina no hoenti-dry zareo eny an-kianja.
Fantatra fa iray amin’ireo zavakanto sady fanabeazana, mifono anatra sy fahaiza-miaina, ny hiragasy. Hatramin’izao, izy no anisan’ny mahatana ny hasin’ny teny malagasy sy mampita izany ho an’ny taranaka aty aoriana. Io tranga io no manosika ny Federasio­nina mpihiragasy eto Mada­gasikara, hiantso manokana ny ankizy sy ny tanora ary ny ray aman-dreny hanatrika ny adin-kiragasy tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: