Mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana ny famokarana sy ny toekarena any atsimon’ny Nosy. Itodihana, ankehitriny, ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra (Agri-business) mitodika amin’ny filàn’ny tsena, mba hiteraka fampandrosoana.
Natao tany Toliara, ny 21, 22 ary 23 janoary teo, ny Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toekarena. Nandray anjara tamin’izany
ny faritra Atsimo Andrefana, Menabe, Androy ary Anosy. Nofantarina ireo seha-pihariana manan-danja, ka anisan’ny misongadina ny biby fiompy (hena mena), miisa 1 121 054 ao anatin’ny faritra 4 voakasika. Mahatratra 357 149 taonina isan-taona ny voka-bary any Atsimo Andrefana sy Menabe. Milanja 30 000 t/taona ny voanjo any Menabe sy Androy. Manampy ireo ny vokatra maro samihafa, toy ny hasy, ny vomanga, ny katsaka, ny voanemba, tongolobe, ny « baie rose », sns. Efa hita any an-toerana daholo ireo vokatra ireo, saingy mila tosika sy fanatsarana ary fandrindrana mafy orina mba tena hiteraka fampandrosoana miainga any ifotony.
Fihariana mitodika amin’ny tsena
Maromaro ny lesoka mila arenina, navoitra nandritra ny dinikasa. Tsy ampy ny rano sy ny vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro. Voafetra ny famatsiam-bola. Miharatsy ny fotodrafitrasam-pamokarana, ny lalana, ny fitaterana, …. Tsy ampy ny fiofanana sy ny fikarohana ara-teknika. Maivana ny rohim-pihariana sy ny lalam-barotra, sy ny hafa.
Navoitran’ireo mpisehatra fa mionona amin’ny sakafo hohanina ny famokarana. Tsy ampy ny fanodinam-bokatra sy ny fampiasana ny teknolojia maoderina, tsy voafehy ny tsena, sns.
Vahaolana naroson’ny mpidinika ny hanamafisana ny rohim-pihariana sy ny fitodihana amin’ny filàn’ny tsena. Volavolaina ny drafitrasa mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Hisy sori-dalana atsangana isaky ny seha-pihariana.
Njaka Andriantefiarinesy




