Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Coupole, ao amin’ ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny hetsika fisoratana anarana biometrika sy ny rafitra hiantsoroka ny fanatanterahana izany manerana ny Nosy. “Natokana ho an’ny olom-pirenena feno 18 taona no ho miakatra ny fisoratana anarana, tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny fiankohonana sy ny fahiziana ary natao ho fototry ny fitantanan-draharaham-panjakana”, hoy ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray. Ahazoana laharana tokana famantarana ho an’ny isam-batan’olona izany. Famaritana mazava ny maha izy ny tsirairay satria tokana tsy azo ovana, ilaina amin’ny fidirana amin’ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena ny fisoratana anarana biometrika. Alaina sary ny atimaso, ny toetry ny endrika ary ny lavotondro handrafitra ny angon-drakitra.
1 729 ny ivontoerana fanoratana anarana eny amin’ny boriborintanim-panjakana ka olona 40 isan’andro no kendrena ho vita. Hatramin’ny volana avrily, olona 2 tapitrisa no tombanana hisoratra anarana biometrika. Hosantarina eny amin’ny distrikan’Atsimondrano, ny 27 janoary ho avy izao, ny hetsika fanoratana anarana biometrika ka haharitra iray volana ny fanatanterahana azy ho an’ny mponina ao amin’ny distrika. Hanenika an’i Madagasikara kosa izany manomboka ny volana avrily.
Vonjy




