Fandaharanasa Asan’Ai : Hanofana maimaim­poana tanora 1 300

Hampitombo ny tanora hiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy hanatsara ny fahaiza-manaony ary hampitombo ny fandraisan’anjaran’izy ireo ny niomerika, hiantraika ao anatin’ny harinkarena faobe. Tetikasa karakarain’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny tetikasa. Araka izany, hanofana tanora maimaimpoana hatrany amin’ny 1 300, mandritra ny 15 volana, ny tetikasa, ka tanora miisa 280 no horaisina amin’ny fampivondronana voalohany amin’ireo efatra hatao. Aorian’izay, afaka miditra eo amin’ny tontolon’ny asa avy hatrany ireo mpisitraka manomboka eo amin’ny fahatelovolana vantany vao mahafeno ny fepetra ilaina, anisan’izany ny BPO miara-miasa amin’ny fandaharana Asan’Ai sy ireo orinasa hafa mpiara-miombon’antoka.
Takina amin’ireo tanora liana amin’ny tetikasa ny mari-pahaizana Bakalorea farafahakeliny, ny fifehezana ny teny frantsay. Tokony hahafehy ny fitaovana niomerika sy vonona hanolo-tena amin’ny fiofanana ihany koa izy ireo. Antsoina hisoratra anarana ana habaka amin’ny alalan’ny tranonkala www.asanai.mg, hatramin’ny 27 janoary, ireo rehetra liana amin’ny fandaharanasa.

Henintsoa

Partager sur: