Fifanaraham-piaraha-miasa : Tosika ho an’ny fandraharahana malagasy

Tsena lehibe anisan’ny mandray vokatra avy eto an-toerana sy hanondranana en­tana maro isan-karazany, tsy andoavana haba ary tsy misy “quotas”, ny Vondrona eoropeanina (UE). Antony nanamafisana ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena (APE) hampiroboroboana ny fandraharahana sy ho fampivelarana ny tsenam-panondranana ho an’ny sehatra tsy miankina. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MCC) tetsy Anta­ninarenina. Na izany, misy ny fepetra takin’ny tsena sy ny dingana atao amin’ny fanondranana. Tanjona, araka izany, ny hampidiram-bola amin’ny alalan’ny fanondranana sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary hanampiana ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny minisitra, Andri­a­ma­dison Haingotiana, fa “ampi­an­tsika ny sehatra tsy mian­kina, omentsika tantsoroka izy ireo mba ho mora aminy ny miditra eo amin’ny tsena eoropeanina”.

Mihatra
Tafiditra ao anatin’ny rafitry ny APE ny hahazoantsika tombony betsaka amin’ny fa­nondranana entana any Eo­ropa. Rafitra izay efa mihatra amin’ny ampahany ary efa nampahafantarina tany amin’ ny faritra ny nanaovana ny atrikasa eto an-drenivohitra. Atao tsy ho ela, noho izany, ny fanaovan-tsonia ny APE ho an’ ny tombontsoan’ny firenena, hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy hanan­dratana avo ny vokatra mala­gasy, hanitarana ny tsena ary ho fampandrosoana ny toekarena.

Henintsoa

Partager sur: