VAOVAO TAMBATRA

Iray amin’ireo sahandriaka lehibe miatrika olana, ny lemak’i Bas Mangoky. Napetraka ny tetikasa Tefiala hanarenana sy hanatsarana velarantany mirefy 22 365 ha hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina eny ifotony. Misahana azy ny minisiteran’ny Tontolo
iainana (Medd) sy ny ao amin’ny Fambolena (Minae), vatsian’ny Famatsiambola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (GEF) sy ny FAO.

Mirefy 121 km ny ampahan-dalana amboarina any amin’ny lalam-pirenena faha-12A. Miainga eo Ebakiky hatrany Somisika. Efa any an-toerana ny orinasa, ary manomboka ny asa fanotorana. Efa vita tanteraka ny ampahany Taolagnaro-Ebakiky. Ankoatra ny lalana, miisa 13 ny tetezana vaovao hatsangana. Vina­vinaina ho vita amin’ny taona 2028 ny asa manontolo. Efa mandeha koa ny asa miainga eo Tsihombe hatrany Tsivorikely, amin’ny lalam-pirenena faha-10.

Natao ny 20 janoary teo ny dinikasa momba ny fampidirana herinaratra eny ambanivohitra. Fivo­riana niarahana tamin’ny Ader, ny UGP Angovo ary ny orinasa CrossBoundary Access ary ny Anka. Anisan’ny faritra nodinihina ny Antso ho an’ny tetikasa (AP) ho an’ny orinasa hanatanteraka ny famatsiana herinaratra any amin’ny faritra Atsimo Andrefana (AP2) sy ny AP4 any amin’ny faritra Melaky sy Menabe.

Partager sur: