Faritra Analamanga : Misokatra amin’ny loko rehetra ny fiaraha-miasa

Manan-jara Ivato novangian’ny Lehiben’ny faritra Analamanga, omaly. Nitondra tantsoroka ho an’ny kaominina ny fitsidihana, hisian’ny fampandrosoana haingana.

Nitsidika ny kaominina Ivato ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raha­rinirina Clémence.
Nandamina ny fiaraha-mi­asa tamin’ny kaominina ma­ro­maro tao amin’ny distri­kan’­Am­bohidratrimo izy tamin’izany.
Nambarany fa misokatra ho an’ireo ben’ny Tanàna re­hetra, tsy mifidy loko ary tsy manavaka an’iza na iza ny faritra Analamanga. Manaraka ny fandaminana amin’ireo dingana ataon’ireo mpanao poli­tika amin’ny fanarenana ny firenena isika. “Mandra-pahatongan’izany paikady fanarenana izany, tsy afaka jerena fotsiny ny vahoaka fa tsy main­tsy mitohy ny asa”, hoy izy.
Samy nilaza ny maharary azy, ao amin’ny kaominina misy azy avy, ireo ben’ny Ta­nàna mandrafitra io distrika io. Nanome toky ny Lehiben’ny faritra fa hatao izay azo hiaraha-miasa rehetra ho fampandrosoana ny tanàna sy ny faritra.
Nanolotra fitaovana va­venty sy kamiao ho an’ny kaominina Ivato ny faritra hahafahana mandraoka fako sy mandeha amin’ny lalan-tsarotra itobian’izany. Nanolotra fitaovana hanampiana ny fanavaozana ny kaominina ihany koa ny tenany, toy ny simenitra… Tsy nanadino ireo olona ma­refo, nivatsy vary sy kojakoja ilaina andavandro nozaraina tamin’izy ireo ny tenany.
Tetsy andaniny, niangavy ny fanamboaran-dalana sy fanazavana ny tanàna izay miantoka ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana ny tanàna ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy.
Nilaza ny Lehiben’ny faritra fa manodidina ny 37 mil­iara Ar any ho any raha vinavinaina ny tetibolan’ny faritra amin’ity taona 2026 ity. Be­tsaka ny asa afaka tantera­hina manerana ny kaominina 142 mandrafitra ny faritra.
Efa hiroso ao anatin’ny fanatanterahana ny asa goavana amin’ny fanamboarana lalana sy fampisitrahana rano fisotro madio ny faritra, amin’ izao fotoana.

Tatiana A

Partager sur: