“Ny antontan-taratasy maro an’isa indrindra azonay dia ny momba ny fananan-tany. Manaraka, ny amin’ny fitsarana. Ireo anankiroa ireo no anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka malagasy ary vaindohan-draharahan’ny asa ataonay”. Izay ny fanazavan’ ny Mediatiora na ny mpiahy ara-drariny sy mpiaro ny vahoaka, ny Pr Andrianaivotseheno Ravaka, teny Anosy, omaly, taorian’ny fihaonany tamin’ny Consulat général honoraire an’i Norvège eto Madagasikara, Ranaivo David Sammy Herizo. Ny fanajana sy fampiroboroboana ny zon’ olombelona sy ny fametrahana ny fanjakana tan-dalàna na ny demokrasia eto Madagasikara no anisan’ny fiaraha-miasa angatahina fanohanana sy fanomezan-tanana amin’ny fanjakana norvezianina.
Ny tena tian’ny Mediatiora hapetraka indrindra amin’izao fotoana izao dia ny fampahafantarana ny vahoaka ny fananany zo ary misy olona afa-manampy azy. Fanentanana sy fanabeazana ary fanetsehana ny vahoaka no asan-dry zareo amin’izany. Rehefa mipetraka izay, hoezahina ny hirosoana amin’ny fametrahana an’ireo masoivoho rehetra any amin’ny Faritra. Eo koa izay tsy hisian’ny fifametsifetsena. Amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany, misy ny fikambanana na ONG kely be dia be eny anivon’ny vahoaka. Misy miteny izy ireo hoe mahafantatra ny Mediatiora ka omena azy ny antontan-taratasy fitarainana ary manome vola izao na izatsy ho tambiny. Nefa maimaimpoana avokoa ny asa eny anivon’ny Mediatiora.
R. Nd.




