Naiditra vonjimaika am-ponja, afakomaly, ireo telo lahy, mpanendaka eny ambony Bajaj ao Mahajanga. Miray tsikombakomba amina mpitondra bajaj izy ireo. Mandray zotra tahaka ny mpandeha rehetra, manendaka poketra sy findain’olona, avy eo mandositra. Miisa roa ny fitarainana voarain’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga momba ity tranga ity, tamin’ity volana ity.
Nafindra toeram-piasana eto Antananarivo Renivohitra ny kolonely Fanevarison Onimihary Ralaiavy na ny kly Faneva, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Famindran-toerana ara-dalàna tahaka ireo zandary rehetra ity natao ity. Tokony ho roa taona no miasa amin’ny toerana iray ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra.
Ravan’ny polisy ny tambajotra mpangalatra moto any Fenoarivo Atsinanana, ny alin’ny 26 hifoha 27 janoary lasa teo. Nitrangana halatra moto roa tao amin’ny fokontany Samy bômba, Fenoarivo Atsinanana tamin’io. Nampandrenesina ny polisy hanao ny sakana. Fiara sprinter fourgon iray no tratra nitondra moto roa tsy misy taratasy. Olona 5 voasambotra.




