Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fandaharanasa “Asan’Ai”. Kendrena ny hanofanana maimaimpoana tanora 1 300, mandritra ny 15 volana, mba hananany asa maharitra. Miisa 280 ireo tanora raisina amin’ny fampivondronana voalohany, 320 amin’ny faharoa ary 350 amin’ny fampivondronanana fahatelo sy fahefatra. Orinasa efatra dia ny Intelcia, Concentrix, Konecta, Connecteo, no handray ireo rehetra nahafeno ny fepetra.
Tanora avokoa ny 72,6% ny Malagasy. Soa fanararaotra azo trandrahina izany hamaliana ny filan’ny tsenan’ny asa. Antony nahatonga ny fanjakana sy ny tetikasa « Pôles intégrés de croissance » (PIC) ary ny orinasa misehatra amin’ny BPO nifanolo-tanana amin’ity fandaharanasa ity, ho an’ny fampananan’asa ny tanora sy ny fampandrosoana ny sehatry ny niomerika. « Sehatra mbola malalaka sy azo handraharahana ny niomerika », hoy ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa PIC, Rakotondrazaka Ladislas Adrien. Tafiditra ao anatin’izay, hoy izy, ny Business Process Outsourcing (BPO), ny tontolon’ny Finetech, ny fikirakirana ny Data Center, rindrambaiko (logiciel) ary ny fanaovana tolotra maro samihafa. Mila hampiroboroboana, hoy izy, ireny mba hanamafisana ny fampananana asa sy ny fahaiza-manaon’ny tanora hikirakira ny niomerika. Hetsika eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra izy ity.
Henintsoa




