Araka ny vinavina, hitombo hery miandalana ilay andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo ivoarany. Mety ho lasa rivodoza izy, anio. Araka ny antontan-kevitra voaray, manambana mivantana ny faritra Avaratra Andrefana iny ity andro ratsy ity, rahampitso maraina. Entanina sahady ny mponina amin’ny faritra Boeny sy Melaky hiomana ka hampihatra ny fepetra momba ny filazana fanairana miloko maitso.
Nosoniavina tamin’ity herinandro ity, ny fifanarahana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony, amin’ny oniversiten’Antananarivo, sy ny Bianco ary ny Samifin hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ary hanentanana ny tanora ho mpisehatra mavitrika amin’ny fananganana fiarahamonina mangarahara. Notsindrin’ny filohan’ny Oniversiten’ Antananarivo fa zava-dehibe ity fiaraha-miasa ity satria manokatra lalana vaovao amin’ny fanatsarana ny fitantanana sy ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony.
Hotanterahina ny 18 sy 19 jona ny fifaninanana hidirana ho mpianatra taona voalohany eny amin’ ny Lycée teknika sy ivontoeram-panofanana arakasa eto amintsika, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny
30 jona sy ny 1 jolay kosa ny fanadinana fifaninanana hidirana taona voalohany amin’ny fiofanana ahazoana mari-pahaizana manokana momba ny fahaiza-manao matihanina.




