Notazonina vonjimaika am-ponja, eny Tsiafahy, ilay lehilahy tratra nitondra antsokosoko volamena milanja 800 grama teny amin’ny seranan’Ivato. Amin’ny volana marsa ny fotoam-pitsarana azy. Nanamafy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, omaly, fa tsy mitsitsy ny fitondram-panjakana amin’ ireo mikasa ny tsy hanara-dalàna eto amin’ny firenena, ary sazy henjana no miandry azy ireny.
Mitohy ny fanavaozana ny fotodrafitrasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, tantanan’ny orinasa Ravinala Airports. Asa goavana atao ny eny amin’ny toerana sy trano fikarakarana ny mpandeha, izay nandraisana ny zotra iraisam-pirenena teo aloha, ary ovaina ho an’ny zotra nasionaly. Nitarina sy nohatsaraina ny efitrano fandraisana sy ny arabe fiantsonan’ ny fiaramanidina. Ho vita tsy ho ela ny asa.
Vita hatrany amin’ny 42,5% ny asa fanamboarana ny tetezana Mangoky (RN9). Miandraikitra ny asa ny orinasa CRCC. Anisan’ny mamatsy vola ny fanatanterahana azy ny Tahirimbola Saodiana ho an’ny fampandrosoana (FSD). Ity no ho tetezana lava indrindra eto Madagasikara, mirefy 800 m, raha toa ka mirefy
500 m ny tetezan’i Sofia, faritra Sofia. Hitondra fampandrosoana any an-toerana ny fisian’ity tetezana ity, hanamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra, izay marihina fa efa vita godirao ny lalana.




