Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohany, Pr Razanakolona Diny, sy ireo Sojabe ary talen’ny sekoly doktoraly. Mifototra amin’ny fitantanana mangarahara ho tombontsoa maharitra ny Oniversite, fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, ny fanatsarana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa, ary fametrahana ho laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa amin’ireo Oniversite any ivelany ny vinan’asan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina.
Tonga eto Madagasikara ny directrice régionale des urgences du bureau région OMS eto Afrika. Rehefa avy nihaona tamin’ny ekipa Cousp central izy dia nidina tany Mahajanga izay toerana be indrindra voan’ny nendran-drajako eto Madagasikara. Tsapa ny asa natao amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny Mpox, raha ny nambarany. Nampahatsiahy ny maha mpiara-miombon’antoka azy ny OMS, ao anatin’ny dingana manaraka ny fifanakalozan-kevitra hijerena ny enti-manana amin’ny fanafarana vaksiny 30 000 fatra sy fanamafisana hatrany ny atao hoe surveillance génomique.
Ankizy sy tanora 246 mianadahy no efa nahazo fampiofanana sy traikefa mahakasika ny fikarakarana ny teknolojia eo anivon’ny ivontoerana fikarakarana ny tontolon’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra I-votika raha toa ka 100 isa no nokendrena hanaraka izany isan-taona. Vokatry ny fiaraha-miasa ny faritra Vakinankaratra sy ny Orange Solidarité Madagascar ary ny ONG I-bira amin’ny alalan’ny ivontoerana Ivotika izany.




