Mbola miteraka resabe ny tetivintana. Samy manana ny ambarany avokoa ireo rehetra mitonona sy milaza fa mahay mitety vintana. Tsy mitovy amin’ny fanisana andro na vahiny mantsy ny tetivintana malagasy. Io no hamantarana ny mombamomba ny zaza teraka iray. Amin’izao vanim-potoana izao, be loatra ny fahasamihafana. Indraindray aza, mifanohitra tanteraka ny ambara. Ny adijady amin’ny sasany, asorontany amin’ny hafa (mifanipaka tanteraka). Amin’ity taona ity. Misinda kely ny olana, satria, mifanojo ilay fanisana. Hanao ahoana indray afaka roa na telo taona ?
Hivelatra any amina sekoly maro. Fantatra izao fa hisokatra tsy ho ela ireo toeram-pianarana vaovao hosahanin’ny Valiha Académie. Ny valiha ihany no hiaingana amin’izany. Mitohy amina zavakanto hafa izany afaka volana vitsivitsy. Marihina fa ity foibe ity no anisan’ireo voalohany nampiaraka
ny fampianarana zavamaneno fanaon’ny Malagasy fahiny sy ny fomba fampianarana zavamaneno manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Ny tanora no kendrena ho maro hiatrika ny fampianarana.
Bolo, etsy amin’ny AFT Andavamamba. Anio amin’ny 3 ora tolakandro ity seho ity, ho famaliana ny hetahetan’ireo nangataka ny seho atoandro. Fotoana hizaran’i Bolo ireo ketrika vaovao sy ireo hira nandavahany ny laza tato anatin’ny taona vitsy izay. Hanokatra ny tapny voalohany i Dee Andriambelo sy i Kevin Zerara, hizara mozika maroloko mandritra io fotoana io.
Iraimbilanja eny amin’ny Tiers-Lieu Ampandrianomby. Taorian’ny tetsy amin’ny Piment Café Behoririka omaly, manome fotoana ireo tara ka tsy tafiditra indray ny tarika anio amin’ny 3 ora tolakandro. Hanokatra ny tapany voalohany ny tarika Grey, mialoha ny hiakaran’ireto andrarezin’ny Rock malagasy ireto. Fotoana nangatahan’ireo mpankafy maniry ny hiaraka amin’ny andro atoandro ihany koa ity. Tohin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao rahateo.




