Kitra diviziona voalohany – PFL : Voatazon’ny CFFA sahala ny Disciples FC

Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, ny andro fahafito sady faran’ny lalao mandroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League (PFL). Ho an’ny kaonferansy Atsimo, voatazon’ny CFFA Andoharanofotsy, ady sahala 1 no ho 1, ny ekipan’i Vaki­nankaratra, Disciples Fc, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianjan’ny Velodromes Antsi­rabe.
Niady tanteraka ny lalao tany an-toerana, samy nampiseho ny fahaizany na ny ekipan-dry  Rajaonarisamba Frank, mpanazatran’ny CFFA na ny an-dRazafindrakoto Ma­misoa, Disciples Fc. Marihina fa ny mpampiatrano no nitarika tamin’ny isa 1 no ho 0, mialoha ny fialantsasatra. Baolina izay tafiditr’i Thino na i Lekaboy ny minitra faha-43.
Teo amin’ny fidirana faharoa, nahomby sahady ny paikady napetrakin’ny CFFA. Nosahalain’i Christiano, lohalaharan’ny CFFA, iray minitra nanombohan’ny fidirana faharoa (46 min) ny isa teny amin’ ny solaitrabe. Tsy niova tamin’io ny isa io, ny fiafaran’ny lalao, na dia teo aza ny baolina tokony ho tafiditr’i Rova sy ry Marson, ho an’ny CFFA. Ny harato tokony nakoban-dry Fely, sy Tendry, ho an’ny Disciples Fc.
Ankoatra izay, natsahatran’ny FC Rouge, ny fanjakanjakana tokana hataon’ny Cosfa Miaramila, ao amin’ny Kaon­feransy Avaratra. Lavon’ireo mpilalao menalamba, tamin’ny isa 4 no ho 2, ny miaramila, omaly, tetsy Itaosy. Mbola mijanona voalohany isan-tsokajiny avy moa ny Disciples FC, nahazo isa 19 sy ny Cosfa, 15 isa, taorian’ireny vokatra ireny.

Fitia Randria

Ireo vokatra rehetra tamin’iny herinandro iny :

Kaonferansy Atsimo :
Disciples Fc (1) – (1) CFFA
Mama Fc (1) – (1) Elgeco Plus
As Ste Anne (3) – (1) Antimo Record
Uscafoot (3) – (1) Cospn
Kaonferansy Avaratra :
Fosa Juniors (4) – (3) Clinique Zanatany
Fc Rouge (4) – (2) Cosfa

 

Partager sur: