FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho lehiben’ny faritra vonjimaika ao Fitovinany Razafitsiandraofa Jean Brunelle. Anisan’ny tapaky ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, izany. Efa depiote teo aloha voafidy tany Ikongo ny tenany.  Efa minisitry ny Fizahantany koa ny taona 2018. Efa kandidà tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny taona 2023.
Notsipahin’ny HCC ny fangatahan’ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Antenimieran­doho­lona, Ndremanjary Jean André. Tsy neken’ny etsy Ambohidahy ny mbola hisitrahany zo amin’ny fitantanana io Andrimpanjakana io ary tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany. « Efa tapitra fe-potoam-piasana io Antenimiera io », hoy ny HCC.

Voatendry ho lehiben’ny faritra vonjimaika ao Atsimo Andrefana ny Jly Miandrisoa Olivier, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra. Maromaro koa ireo sefo distrika voatendry. Anisan’izany ny ao Toamasina II, Mampikony, Antsalova, Kandreho, Tsihombe, Mandoto. Voatendry ho lefitry ny Prefet an’Anta­nanarivo kosa Randriamanankevitra Huberto.

Mijoro ary manameloka tanteraka ny toe-javatra mamoafady ny terak’Androy. Nanao fanambarana tetsy Ambohidahy izy ireo. « Miendrika fanambaniana ny foko sy fanosihosena ny soatoavina ny fampitoviana ny filoha amin’ny biby », hoy izy ireo. Miantso ny mpitantana ny pejy “Mada libre” nanaparitaka ny sary hifona izy ireo sy hanao ny fomba.

Partager sur: